Mpampianatra FRAM avy any Ampotaka, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Mandoto maty teo amoron’ny arabe manamorona ny lalam-pirenena faharoa, ny marainan’ny 30 oktobra tokony ho tamin’ny iray ora, raha iny efa tsikaritry ny olona nanakaiky azy fa nitaraina fa noana izy ary nisotro rano no nahitana azy, nanomboka teo no nianjera izy ary niafara tamin’ny fahataperan’ny ainy.Toerana fiandrasan’ny maro fiara mpitatitra no sady hihaonan’ny rehetra ihany koa, satria sampanan-dalana hifankahitan’ny rehetra mandram-paharainan’ny andro ity toerana nahafatesany ity. Avy any amin’iny faritr’i Vakinakaratra iny ratompokolahy raha ny antontan-taratasy hita teny aminy ary efa nampidirina ao amin’ny tranompaty eto Moramanga ny razana. Samy tsy misy mahalala azy avokoa ny olona tety amin’ny manodidina, fa ny fandraisana an-tànana mety hataon’ny ministera mpiahy sisa no andrasana izay hahatonga ny razana any an-tanindrazany.
CATHY