- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mpanao vola sandoka tra-tehaky ny zandary

Moramanga : Mpanao vola sandoka tra-tehaky ny zandary

Ravim- bola sandoka  dimy alina sy iray tapitrisa ariary no saron’ ny zandary teto an-tampon-tanànan’ i Moramanga. Olona efatra no voarohirohy ka ny roa no efa naiditra am-ponja. Mbola  mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ ny zandary hitadiavana izay atidoha mikotrika ny fanamboarana.

Vokatry ny fiaraha-miasan’ ny zandary ato anatin’ ny tobim-paritra Moramanga sy ny mponina dia nahazo loharanom-baovao izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana natao an’ireo olona nahatrarana ireo vola sandoka no nahafantarana fa efa manana milina sy fitaovana izy ireo hanamboarana vola sandoka. Manentana olona izy ireo amin’ ny alalan’ ny filazana fa afaka mampitombo vola raha toa ka manome vola 50.000ar vola tena izy dia mahazo 100.000ar vola sandoka avy amin’ izy ireo. Vola roa alina ariary tokana no nanaovan’ izy ireo ny asa ratsiny, laharana roa no hita tamin’ ireo ravimbola ireo.

Nanamarika ny fiarahamonina ny fahitana ireo roa lahy nilaza ho afaka mampitombo vola nefa olona tsy an’ asa nandritra ny fotoana naharitra. Mitohy ny asa sy ny fikarohana ireo olon- dratsy mahavanon- doza ataon’ ny zandary eto Moramanga io, raha ny nambaran’ ny mpifehy ny tobim- paritry ny zandary eto Moramanga ny 04 septambra 2019 tao amin’ ny birao fiasany.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici