Mpanao vola sandoka gaigilahy no saron’ny vondron-tobim-paritry ny zandary eto Moramanga, ny talata 23 septambra tamin’ny telo ora tolakandro, niaraka tamin’ny fitaovana fanamboarana izany, toy ny solosaina sy ny famoahana ny vokatra avy aminy, ireo karazana loko ary ny taratasy sy ny masinina afaka manome endrika ho plastika. Tsy niandry ela ny lehiben’ity vondron-tobim-paritra ity rahefa nahazo antso avy tamin’olona tsara sitra-po fa avy hatrany dia nandray ny andraikiny. Rehefa natao ny famotorana dia niaiky ny heloka nataony ilay rangahy. Nilaza moa izy fa efa betsaka ny vola sandoka natontany ary efa miparitaka manerana ny nosy izany noho izy efa nitety faritra maro. Mitovy avokoa ny laharana hita eo amin’ireo vola iray alina ariary ireo (10 000). Nipetraka efa ho herinandro tamin’ny hotely fandraisam-bahiny iray ity olon-dratsy ity, izay tsy nihevitra ny hisy hahita fa mbola teo am-pisakafoanana no nahatrarana azy. Tsy afaka nihetsika fa dia noraisim-potsiny teo. Natolotra ny Fampanoavana omaly 25 septambra ity fanetriben’ny ny firenana ity.
CATHY