Natolotra ny fitsarana ny 07 may ilay mpangalatra moto gaigilahy saron’ny polisim-pirenena teto Moramanga, ny alin’ny 02 may teo am-pisotroana toaka, niaiky ny heloka vitany ity tovolahy vao 23 taona ity taorian’ny fanadihadiana natao azy.
Fanasana ny hiara-hisotro no niandohan’ny fitsiriritana. Tao anaty trano fisotroana izay tsy maintsy mbola notohizana hatrany an-trano raha telo lahy izy ireo no niaraka sady mpinamana no mifankafantatra tsara. Rehefa hitan’ny anankiray fa somary efa mamo ireo namany roa lahy dia nentin’ilay antsoina hoe »Rico » nitsoaka ilay moto rehefa hitany nipetraka teo ambony latabatra ny fanalahidiny. Toetra ratsy efa fanaon’ity tovolahy ity miaraka amin’ireo naman-dratsiny izao nahatrarana azy izao raha mbola karohina ireo namany hafa. Fomba fiasan’ny polisim-pirenena eto Moramanga ny midina ifotony hatrany anaty fokontany izay tsy hiandrasan’izy ireo fitarainana tonga eny aminy izany fa tonga dia natombony tamin’ ny fanomboham-piaraha-miasa misy eo amin’ny sefom-pokontany sy ny polisy rehetra miasa eto an-toerana ; izay notarihan’Andriamatoa Rambeloson Patrice, Commissaire principale de police.
Fahombiazana hatrany no azo noho ity fiaraha-miasa ity. Hita nandritry ny fivoriana fanaon’izy roa tonta miaraka ny tatitra hifanakalozan’izy ireo hoentina hanatsarana ny asa iaraha-manao.Tsy hijanona intsony ny fidinana eny anivon’ny fokontany eto Moramanga ary tsy hifidianana fotoana izany, fa ny hanatrarana ny tanjona dia « ny jiolahy no tsy mandry fahalemana fa tsy ny vahoaka ».
CATHY