Teto Moramanga no tratran’ny polisim-pirenena ny mpangalatra moto avy any Ambatondrazaka rehefa avy nanao ny asa ratsiny tao amin’ny tokantrano iray tao anatin’ny fokontanin’Avaradrova avaratra, ny alin’ny 12 aprily teo. Avy any Antananarivo izy ireo no nanao anton-dia hangalatra any Ambatondrazaka, ka izao tratra izao rehefa hitondra ilay halatra hoentina hody any Antananarivo ny marainan’ny 13 aprily. Tratra noho ny fisian’ny fiaraha-miasan’ireo mpitandro filaminana ato anatin’ny faritra Alaotra Mangoro izy ireo, satria vao niharan-doza ilay tompon-trano dia nametraka ny fitarainana avy hatrany teny anivon’izy ireo. Niaiky ny fanaovany ny asa ratsiny ity lehilahy 26 taona antsoina hoe « Olivier » ity nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy mpanao fisavàna fiara an-dalam-be azy. Niezaka nanaraka lalankely ity nitondra moto, saingy tsy maintsy hivoaka ny arabe ihany, kanjo nifanena tamin’ireo polisy eto Moramanga miasa andro aman’alina. Efa tafaverina amin’ny tompony ny fananany ary efa natolotra ny fitsarana any Ambatondrazaka ilay mpangalatra. Ny polisim-pirenena eto Moramanga dia tsy hitsitsy an’ireo mpanao asa ratsy rehetra.
CATHY