- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mpifankia naira-maty tototry ny tany

Moramanga : Mpifankia naira-maty tototry ny tany

Mpifankatia no niara-maty nihotsahan’ny tany, ny alin’ny 26 novambra tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany alina tao amin’ny fonkontany Mangabe, kaominin’Amboasary gara .Mbola vao 23 taona razazalahy ary 22 taona kosa razazavavy ; izay efa ao anatin’ny fanomanana ny fanamasinana ny fanambadiana ny volana janoary 2015. Ny fokonolona no nifanome tànana tamin’ny fikarohana ny razana, ka ny zoma 28 novambra no hita ny fatin’ilay lehilahy fa tsy mbola hita hatramin’izao kosa ilay vehivavy ; izay efa mitondra vohoka telovolana. Niasa alina tao amin’ny toby misy milina azahoan’ny kaominina herinaratra izay mamatsy jiro an’ity kaominina ity ilay tovolahy no nanatitra sakafo hoazy ity olon-tiany, dia izao niharan-doza izao; potika zato isan-jato ity toeram-pitobiam-pamatsian-jiro ity izay tsy mbola misy vahaolana hatramin’izao. Miaina ao anaty haizina ny kaominina manontolo, efa fito andro izao. Betsaka ireo vokadratsin’izany na amin’ny fiveloman ‘ny olona na ny eo amin’ny lafiny filaminana aza ; izay hanairan’ny ben’ny tanàna any an-toerana ny fanjakana foibe hijery haingana an’ity fahoriana ity. Indrindra moa fa ny ministera tompon’adraikitra, raha efa matetika no ahitana trangana        tsy fahandriampahalemana ny manodidina ny kaominina Amboasary.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser