- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mpirahalahy maty nianjera tao anaty lava-drano

Moramanga : Mpirahalahy maty nianjera tao anaty lava-drano

Telolahy, ka ny roa tamin’izy ireo dia mpirahalahy no indray namoy ny ainy tao anaty lava-drano omaly tany Moramanga tampon-tanàna. Samy mpiady lava-drano izy ireo.

Araka ny fampitam-baovao azo dia teo am-panamboarana lava-dranon’olona tao Ambarilava mihitsy izy ireo no niseho ny tsy nampoizina ary izao niafara tamin’ny fahafatesana izao. Mazàna tokoa amin’ny fotoam-pahavaratra toa izao dia tsy tokony atao intsony ny miady lavaka na ho an’ny lava-drano io na ho an’ny toeram-pivoahana. Efa malemin’ny orana mantsy ny tany ka atahorana foana ny mety hihotsahan’izany. Tamin’ity tranga iray, araka ny vaovao hatrany dia efa vita ilay lavaka ary efa teo am-pandrariana ireo biriky miaro ny sisin’ny lavaka tsy hihotsaka izy ireo. Ny iray tamin’izy telo lahy ihany no nanao izany tany ambany tany, saingy tamin’ny fotoana tsy nampoizina dia nihotsaka ny biriky ary niafara tamin’ny fianjeran’ity tovolahy ity tany ambany tany, izay tombanana ho metatra maromaro. Nikoropaka namonjy ity namany iretsy roalahy saingy loza efa ho avy ka tsy niara-nianjera tao avokoa. Ireo fokonolona teny an-toerana niaraka tamin’ireo tomponandraikitra moa no niezaka nanao izay azon’izy ireo natao mba hamonjena ireto niharam-boina ireto. Indrisy anefa fa efa vatana mangatsiaka miisa telo sisa no nampiakarina avy tao anaty lavaka tao. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tomponandraikitry ny filaminana tany an-toerana. Koa satria nisy aina nafoy dia tsy maintsy nanokatra fanadihadiana izy ireo. Ny pôlisy misahana iny faritra iny no miandraikitra izany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici