Tsy tahotra tsy henatra ny an’ity lehilahy iray mianjaika sy lava ranjanana ity izay , nisoloky ho mpiasan’ny faritra Alaotra Mangoro ,mitaky tamberim-bidy amin’ireo rehetra hiditra hitrandraka vato ao Mangarivotra Moramanga. Ary dia voafitaka avokoa ny rehetra satria manana taratasy sandoka izy ,izay misy sonian’ny lehiben’ny faritra araka ny voalazany ,manana « orde de mission » sandoka ihany koa ilay lehilahy .Efa betsaka ireo voafitaka ,sy efa nahazaoany vola be , eny fa na ireo mpitondra varimbariana aza dia voafitaka .Niely hatraty amin’ny renivohitry ny faritra izany fihetsika izany ka nandraisan’ny lehiben’ny faritra ny Dr Raminoarison Honoré, andraikitra ka naniraka mpitandro ny filaminana nisambotra ity lehilahy ity .Rehefa nosavaina ny tany anatin’ny malety noentiny dia nahitana fanafody gasy maromaro sy fitomboky ny faritra hosoka ary fitomboka hafa .Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao,ary mampitandrina ireo mpisoloky ny faritra fa hentitra ny fandraisana andraikitra .Efa noroasin’ny fanjakana rahateo ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna ireo, hoy ny fanazavana
Janus R