Mpivady efa samy zokiolona75 taona sy 67 taona no niara-maty voakapan’ny antsy tao an-tranony ny alin’ny 19 may, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany, tao amin’ny fokontany Mandrota kaomin’Amboasary. Tsy nisy ny zavatra lasan’ireo olon-dratsy fa ny trano no nakorontan’izy ireo, indrindra izay toerana rehetra azo nosavaina dia nakorontany avokoa dia izy mivady samy voakapa teo amin’ny vavany sy ny lohany ary trano nihosin-dra no novantanan’ilay mpanampy ao aminy izay hiditra hamonjy ny asa fanaony isa-maraina tokony ho tamin’ny enina ora maraina ny 20 may. Izy avy eo no niantso ny manodidina rehetra sy ny zandary eny an-toerana. Anaty tamboho ary 50 metatra miala io toerana io vao misy mpiara-monina mipetraka. Mpandray fisotroan-dronono ratompokolahy ary izy no talen’ny EN1voalohany teto Moramanga. Zendana ny manodidina satria izy ireo no olona voalohany nanentana ny mpiara-belona aminy ho tia fianarana teny amin’iny toerana nonenany teny. Niomana haka ny fisotroan-dronony izy dia izao niharan’ny hetraketraka izao. Manana ireo manampahaizana natokana hanao ny fanadihadiana ny zava-mitranga toy izao ny eo anivoan’ny zandarmaria izay tonga avy hatrany raha vao nahazo antso. Manameloka izao hetraketraka atao amin’ny zokiolona izao ny mpitondra rehetra ao anatin’ny distrikan’i Moramanga.
CATHY