Nisehoana loza an-dranomamy, omaly alahady, tany amin’ny toerana antsoina hoe Ambodimanga, ao amin’ny disitirikan’i Moramanga. Mpivavaka hamonjy fodiana no navadiky ny lakana raha hiampita ny reniranon’i Mangoro teo amin’ny toerana voalaza etsy ambony eo amin’ny 25km miala an’i Moramanga. Ny loharanom-baovao nampitain’ny depiote Randrimahefa Henri Charles, izay nifandray tsy tapaka tamin’ny ben’ny tanàna any amin’ilay toerana nisehoan’ny loza, no nahafantarana fa 11 no velona ka anisan’izany ny mpanamory lakana roalahy sy ankizy iray. Natao avy hatrany ny fikarohana ka omaly hariva ihany dia olona fito namoy ny ainy no hita faty. Tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra dia mbola 15 ny olona tsy hita popoka. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa 34 ireo olona nandray ny lakana, omaly. Lakana roa mifampitohy izay natao taingimbe. Samy mahafantatra anefa ny rehetra fa vokatry ny orana dia niakatra ny reniranon’i Mangoro ary rehefa hariva miha mahery ny rano.
Ireto olona niharan-doza ireto dia avy namonjy fotoam-pivavahana tany Ambohimanatrika, 7 km miala ny tanànan’I Moramanga. Hamonjy fodiana any Beparasy, Ambatokapaina sy ny tanàna hafa manodidina izy ireo izao niharan-doza izao. Raha vao nahafantatra ny tranga ny tompon’andraikitra tany an-toerana dia nanome tanana ka anisan’izany ny solombavambahoaka sy ny senatera vaovao ao Moramanga. Nandefa vatsy ho an’ireo fokonolona manao ny fikarohana, sakafo, kafe sy siramamy. Voalazan’ny vaovao hatrany fa efa manomboka miha simba ny lakana ampiasaina amin’io toerana fitsakana io. Tany aloha tany, nisy ihany ny lakamby saingy efa potika izany ary nosoloina lakana hazo. Fiampitana tsy maintsy andalovan’ny mponina anefa eo amin’ilay toerana.
r.s.