- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mpividy voatoraka vato mizana, naratra mafy

Moramanga : Mpividy voatoraka vato mizana, naratra mafy

Notorahan’ilay ramatoa mpivarotra vato mizana, ny lohan’ilay rangahy rehefa nangataka ny famerim-bolany, ny harivan’ny asabotsy 10 desambra 2016, teo amin’ny fivarotana amoron’ny tsena vonjimaikan’i Moramanga.Tsy sahy nijanona teo ilay rangahy fa nandeha nitondra ny tenany rehefa naratra mafy.Tsy sahy nijanona naharitra noho ny vazavazan’ilay ramatoa mpivarotra,ka ny olona nahita azy no nitondra azy niverina teo anatrehan’ilay mpivarotra. Efa namerim-bola ilay ramatoa raha ny nambaran’ilay mpividy nanatri-maso fa tsy ampy ka niandry io ambiny io ilay rangahy; nanadino ny fisian’izany anefa ity ramatoa noho ny fisian’ny mpividy maro tonga teo aminy; ny laodsia novodian’ity rangahy ity efa lany teo am-piandrasana ny famerim-bola avy any aminy. Nanontany ny mbola antony nijanonan’ilay rangahy ity ramatoa no sady nitoraka ny lohany avy hatrany ka izany no nahatonga ny ratra nahazo ity rangahy ity hoy hatrany ireo nanatri-maso. Tonga teo an-toerana ny lehiben’ny fokontany nanao izay handrindrana ny olana nefa mbola tsy nisy mangirana.Natolotra ny mpitandro filaminana ny raharaha.Tsenan’i Moramanga rehefa asabotsy ka maro ny olona no mifamezivezy izay isan’ny nahasarotra ny fifampiresahana.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici