- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mpividy volamena voatafika, lasa ny 40 tapitrisa ariary

Moramanga : Mpividy volamena voatafika, lasa ny 40 tapitrisa ariary

Nifanjevo indray ny jiolahy sy mpitandro filaminana tany Anosibe an’ala Moramanga omaly maraina. Mpividy volamena nandeha môtô no nosakanan’ny jiolahy. Tsy nampoizin’ireto farany anefa fa narahana mpitandro filaminana ireto olona ireto ka raikitra ny fifampitifirana. Naratra voan’ny bala ny mpitandro filaminana, tafatsoaka kosa tetsy andanin’izay ireo olon-dratsy ary azon’ireo ny vola mitentina 40 tapitrisa ariary. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao azo dia saika ho any amin’io toerana ireo mpividy volamena ireto, izay mazava ho azy fa nitondra volabe, nandeha môtô. Tsy nianona fotsiny tamin’izao anefa izy ireo fa niaraka tamina mpitandro filaminana izay nandeha môtô ihany koa nanaraka azy ireo taoriana. Somary nifanary an-dalana anefa izy ireo, ka teo no nahavoazan’ireo olon-dratsy, izay efa niandry kendry tohana ireto mpitondra vola. Hazo no nanakanan’izy ireo ny lalana tamin’izay ary dia tratra teo ireo mpitondra môtô voalohany. Sendra ny be noho ny vitsy, sady niaraka tamin’ny basy iretsy voalohany ka nanaiky mora nanome ilay volabe tany amin’izy ireo. Efa vita ny asa ratsin’ireo jiolahy vao nipoitra ireo mpitandro filaminana. Velona teo avy hatrany ny fifampitifirana, ka io nahavoa ny iray io. Efa nampandrenesina ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ary efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana ireo olon-dratsy raha ny fantatra hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici