- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Naato vonjimaika ilay asa fanorenana andrim-by

Moramanga : Naato vonjimaika ilay asa fanorenana andrim-by

Niantso ireo fokonolona rehetra monina ao amin’ny fokontany Antsirinala, ny avy eo amin’ny distrikan’i Moramanga sy ny ben’ny tanàn’Ambohibary ary ny avy ao amin’ilay orinasa izay niteraka izao disadisa izao. Handravona ny olana  sy hanazava ny mahakasika ny antom-pijoroan’ity andrim-by ity no niantsoana ireo vahoaka, saingy tsy nisy nanaiky ny mbola hanaovana izany ireo vahoaka tonga teo, fa ny hanesorana avy hatrany ny fotodrafitrasa no notakian’ireo fokonolona. Tsy nanaiky ny mbola hitoeran’io fotodrafitrasa io ihany koa ny olon-dehibe mpandala ny fomban-drazana noho ny fanotorana sy famefena ilay tsangam-bato hajain’izy ireo,anisan’ny nanamafy orina ny fitakian’ireo vahoaka. Nanao fanambarana ny ben’ny tanàna rehefa tsy nisy olona nanaiky ny fanorenana fa haato vonjimaika ny asa rehetra. Nisy anefa ireo komity najoro handinika ny raharaha ka ahitàna ny avy eo amin’ny fokonolona sy ny mpitondra ary ny orinasa. Manantena ny hamelàna malalaka ilay vato izay manan-tantara eo amin’ny fiainan’izy ireo ny vahoaka ao Antsirinala.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici