- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nahazo fanampiana avy amin’ny Fanalamanga

Moramanga : Nahazo fanampiana avy amin’ny Fanalamanga

Manomboka amin’ity herinandro ity ny fanavaozana ny biraon’ny kaominina Antaniditra ; izay fampanantenana nataon’ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro ary manantena izany ny vahoaka any an-toerana, raha efa ela no niandrandra fanovana sy fanatsara noho ity kaominina ity efa matetika no lasibatry ny asan-dahalo. Nidina ifotony Andriamatoa Ramboahangison Felix mpanolotsain’ny minisim-panjakana no sady nisolo tena ny minisitra tompn-toerana, fa tsy vitan’ny fanjakana irery ny fampandrosoana eto Madagasikara fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina toy izao fiaraha-miasan’ny orinasa Fanalamanga sy ny fanjakana izao, ka nahafahana nanome : fantsika 50 kilao ,tafo fanitso 259 isa,planches sy bois carré 2000isa izay mitetim-bidy sivy tapitrisa ariary hoan’ireo traboina noho ny hain-trano noho ny hetraketraky ny asaratsin-dahalo ny fito septambra lasa teo, ka naharatrana sy nahafatesana ain’olona.Amin’ny maha orinasa miorina ato anatin’ny faritra ny orinasa Fanalamanga dia manome tanana hatrany ny fiarahamonina ary miara-miasa akaiky amin’ny fanjakana ity orinasa ity; ka izany indrindra no nisafidianan’Andriamatoa Rakotonirina Augustin tale jeneralin’ity orinasa ity ny hanolorana fiataovana ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mponina tra-pahavoazana, noho ny voina nihatra tamin’izy ireo sady fitsinjovana ny mahaolona.Tsy mbola nisy niova ny fampianarana ny mponina nataon’ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarmaria eto Moramanga tamin’ireo mponina mahakasika ny fiaraha-miasan’ny mponina sy ny zandary amin’ny fitandroana ny filaminana izay nahafahany matory any any an-tranony hatramin’izao.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici