- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nahazo fandrahonana ireo mpanao gazety teo am-panatanterahana ny asany

Moramanga : Nahazo fandrahonana ireo mpanao gazety teo am-panatanterahana ny asany

Mizara roa ireo kristiana ao amin’ny fiangonana iray eto Antanamandroso Moramanga efa iray volana izay vokatry ny fitakiana ny hanesorana ny pastora miasa ao ankehitriny, noho ny antony maro samy hafa izay miankina amin’ny fiainan’ny kristiana mivantana ary efa nilanja sora-baventy izy ireo ho fanehoana izany.Nidina eto an-toerana niezaka namaha io olana anatiny io ny filohan’ny Synodam-paritany Alaotra, ny alahady 17 aprily fa nihombo io tsy fitovian-kevitra io noho ny tsy faneken’ity farany ny fangatahan’ireo kristiana ny hahazoany fotoana iray hahafahana miara-mivavaka ao am-piangonana.Voatery nangalàna mpitandro filaminana noho izany.Tonga teny an-toerana ny mpanao gazety rehetra hanao ny asany fa fandrahonana niampy ny fanerena ny hakàna ny fitaovana teny amin’izy ireo no nataon’ity filoha ity ka nahatsiaro ho voahelingelina noho izany na dia mbola tsy nisy sary sy feo nalaina aza fa mbola vao nigadona teny an-toerana.Nilaza kosa ireo mpanelanelana izay nahitana pastora mirahalahy izay samy eo anivon’ity fiangonana ity ihany sy tangalamena fa tsy nahazo ny heviny ary tsy afaka ny handray azy ireo ilay pastora izay fototr’ity ny olana ao anatiny ity. Etsy andaniny kosa ireo kristiana dia efa niezaka ny nifampiraharaha ny amin’ny tsy hahatongavana amin’izao olana tafavoaka ivelany izao hatrany am-boalohany .Miantso ny tompon’andrikitra foibe izy ireo hijery akaiky ity raharaha ity, dia ny tsy hitarazohany lava loatra na dia efa alahady efatra izao no tsy afaka nivavaka ireo kristiana ireo.
CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici