- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nahazo fanomezana ireo zokiolona sy ny ankizy

Moramanga : Nahazo fanomezana ireo zokiolona sy ny ankizy

Zokiolona mihoatra ny 70 taona sahirana ara-pivelomana notsongaina tao anatin’ny fokontany 13 miisa 69 no notoloran-dRamatoa Loholona Razafimandroso Virginie sy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Randriamahefa Henri Charles lamba firakotra mafana isan’olona noho ny fahatongavan’ny vaninandro ririnina. Fiaraha-miasan’izy ireo sy ny sefo fokontany eny ifotony no nahafahana nanao ny fitsirihana. Nahazo ny kilalao sahaza ny taonany avy ireo ankizy latsaky ny folo taona miisa 320 samy avy ao anatin’ny fokontany ato anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga avokoa. Efa fanaon’izy mianadahy ny toy izao rehefa tonga ny asaramanitra sy ny vaninandro mangatsiaka. Tsy hijanona hatreo ny fanoezana fa hitohy any amin’ireo kaominina manodidina. Samy hahazo ny anjarany avokoa ny ankizy sy ireo olon-dehibe eny amin’ny kaominina manodidina, hoy hatrany ireto mianadahy avy eo anivon’ny parlemantera ireto.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici