- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nahazo tale jeneraly vaovao ny Fanalamanga

Moramanga : Nahazo tale jeneraly vaovao ny Fanalamanga

Nitso-drano tamin’ny fomba malagasy ny tale jeneralin’ny orinasa Fanalamaga vaovao, Andriamatoa Rakotonirina Augustin, ny zanak’i Moramanga, ny 05 martsa. Niaraka tamin’ireo ireo ny solontenan’ny  Tangalamena nirarisoa azy hahavita ny asany, satria nahafapo an’ireto ray aman-dreny ny fanendrenena nataon’ny filohan’ny repoblika malagasy an’ity zanaky ny faritra ity. Efa ela tokoa no naniriana izao fanendrena izao. Fa amin’ny maha zanak‘i Moramanga ny tenany, hoy ny tale jeneraly vaovao, dia nanome toky izy ny amin’ny hanarenany an’ity orinasa latsaka an-katerena ity, ary nangataka an’izay manam-pahaizana ato anatin’ny faritra izy hanome tanana azy hiara-kanarina ity orinasa mamelona fianakaviana maro ity. Tsy hiandry ela fa afaka andro vitsivitsy dia hidina ifotony ny tenany hijery lalina ny tena zava-misy marina eny an-toerana, mba hahafahany hitondra any amin’ny fitantanana vaovao. Azony inoana fa tsy hitovy amin’izay lasa izay ny manomboka eo amin’ny fandraisany asa, noho izy efa ampy traikefa amin’ny fitantanana orinasa goavana. Kaominina 18 amin’ireo 21 ato anatin’ny distrikan’i Moramanga no misy ny kesika maniry iasan’ity orinasa ity. Ao anatin’ny fandinihany avokoa ny fitsidihany azy tsirairay. Vonona hifanome tanana amin’izay mety ho fampandrosoana rehetra ho an‘ny zanak’i Moramanga manomboka izao izy.

CATHY

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser