- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Naiditra am-ponja ilay nisoloky olona ho iraky ny lehiben’ny Faritra

Moramanga : Naiditra am-ponja ilay nisoloky olona ho iraky ny lehiben’ny Faritra

Naiditra any am-ponja ilay tovolahy nisoloky ho mpiasa akaiky ary afaka misolo toerana ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro ny alarobia 16 mars 2016.Efa tamin’ny faha-4 mars 2016 nisian’ny fitrandrahana nifanaretsaka tao Beparasy Mangarivotra no efa tonga tao an-toerana ity tovolahy vao 25 taona ity ; ary sahy niaraka tamin’ireo karazana fitaovana fampiasan’ny fajakana sy nampiantso an’ireo mpitondra tao an-toerana nanao fivoriana tsy ara-potoana maika mahakasika ny fitrandrahana ao an-toerana.Natahotra azy avokoa ireo mponina noho ireo karazana fitomboka sy marika manokana maha mpiasa eo anivon’ny faritra Alaotra Mangoro azy ary taratasy manendry azy ho mpiasa akaiky no sady mahasolo tena ny Lehiben’ny faritra.Nahatsiaro ho voahelingelina ny sasany tamin’ireo mponina tany an-toerana noho ny fomba fakàna vola tamin’izy ireo noho ny fisian’ity nilaza fa iraka manokan’ny faritra ity ka nanapa-kevitra niantso mivantana ny tompon’andraikitra voatonitonona. Avy hatrany dia niantso ny mpitandro filaminana sy ny mpiasa voatendry ara-dalana hidina avy hatrany ity farany.Tsy mbola nahalala an’ireo tena iraka niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ary ity mpisoloky gaigilahy ka dia mbola ireto manatontosa ny iraka hisambotra azy no nanaovany ny fisavàna, ka dia noraisim-potsiny avy hatrany izy, niaraka tamin’ireo karatra maro sandoka sy ny fanafody gasy ary ireo karazana « puce » maro sy ireo antotan-taratasy sadoka anirahana an’ireo ben’ny tanana hanaovana fanadihadiana.Niaiky ny zava-bitany ity lehilahy ity ary tsy vao izao no nanaovany ity fomba fanao ratsiny ity.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici