- Publicité SW45 -
lundi, mars 17, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpamily “adala” nahafaty olona

Moramanga : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpamily “adala” nahafaty olona

Taorian’ilay loza mahatsiravina namoizana ain’olona dimy tany Moramanga, fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpamily “adala” tompon’antoka tamin’ity tranga ity, rehefa avy nohenoina teny amin’ny Fampanoavana, tany an-toerana. Araka ny fantatra kosa dia ny voalohan’ny volana aprily ho avy izao no fotoam-pitsarana azy. Marihana fa, ny andron’ny nisehoan’ilay loza, ny alahady teo, no voatery nalaina sy notazomina tao amin’ny biraon’ny pôlisy tao Moramanga ity lehilahy 25 taona ity, rehefa notadiavin’ny olona nentin-katezerana atao fitsaram-bahoaka. Ny kaomisaria indray no saika notafihan’ny sasany taorian’izay. Teo anatrehan’izany, dia namafisina tanteraka ny fiambenana ilay birao, nifanomezan’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana tànana. Nidina tany an-toerana mihitsy aza ny tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny pôlisim-pirenena, tamin’ity savorovoro ity. Nalaky nilamina ihany anefa ny toe-draharaha tao an-drenivohitr’I  Bezanozano tao. Tsiahivina fa avy any Toamasina no niainga ity fiara 4X4  Ford Ranger ity. Nentina lehilahy metisy karàna izy io, izay niaraka tamin’ olona efatra. Teny an-dàlana dia efa nandona nahafaty pôlisy saika hanakana azy ireo ity fiara ity, ary io nahafaty olona efatra tao an-tampon-tananan’i Moramanga io. Saika tsy nijanona izy io raha tsy nidona tamina kamiô, nanao fanahy iniana nampijanona azy. Efa saika ny ain’ilay mpamily no nanefa raha tsy tonga ireo mpitandro filaminana. Efa tsy nisy tao anatiny kosa ireo olona hafa niaraka taminy. Kila hotohoto kosa tetsy andanin’izay, nodoran’ny olona ilay fiara tsy mataho-dalàna; izay marihana fa fiara nofaina fa tsy azy ireo akory.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici