- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanaovan-gazety

Moramanga : Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanaovan-gazety

Fiofanana roa andro nisesy, ny 02 sy ny 03 may,  no nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety teto Moramanga, izay notanterahina tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andasibe. Fanamarihana niraisan’ireo rehetra ato anatin’ny faritanin’i Toamasina rehetra (Analanjirofo,AlaotraMangoro, Atsinanana). Tsy manadino ny fanamafisana orina ny firaisankina misy aty amin’ny faritra no himasoan’ity fikambanana ity. Manameloka kosa ny mety ho faneriterena mahazo ny mpikambana rehetra ao anatin’ny asa ny fivondronan’ny fikambanan’ny mpanao gazety ato aminn’ny faritanin’i Toamasina. Mpanao gazety miara-miasa amin’olon-drehetra ny UJIRT, na ny « Union des Journaliste Inter Régional de Toamasina », ary vonona hitazona mandrakariva ny fihavanana sy ny firaisankina misy eo amin’ny samy mpanao gazety.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser