- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nandraisana fepetra ireo mpitrandraka vato tsy ara-dalàna

Moramanga : Nandraisana fepetra ireo mpitrandraka vato tsy ara-dalàna

Tsy manaiky ny hanaovana fitrandrahana tsy ara-dalàna ao amin’ny fokontany Amparihimazava izay folo kilaometatra miala ny renivohitr’i Beparasy Mangarivotra ny i Madagasikara Razanajato Virginie sy ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles ka miantso ny an’ireo olona rehetra hanaraka ny lalana mifehy izany fitrandrahana izany.Tafakatra dimy arivo ireo olona tonga tany an-toerana tao anatin ny telo volana ary niakatra ho avo teloheny ihany koa ny vidim-piainana tany an-toerana; tsy misy nahazo alàlana tany amin ny ministera mpiahy ireo olona ireo ; izay 20m miala ny sekoly fianarana ka nahatonga ireo ankizy tsy ho tafajanona tao an-tsekoly noho ny tabataba sy korana nataon’ ireo olona manao ny asa fitrandrahana tany an-toerana,efa tamin ny volana janoary teo no nahatsapa ny mponina tao an-toerana sy ny mpitondra, fa nitombo ireo olona milaza ho mpivezivezy ara-barotra tany an-toerana fa ny 14 febroary no nahatsapa ny ben’ny tanana tany an-toerana fa nisy fitrandrahana tsy lavitry ny sekoly, dia nampilaza ny tompon’ andraikitra ary tsy niandry ela akory ny lehiben’ny distrikan’i Moramanga, fa naniraka an’ireo zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritr’i Moramanga hanatanteraka io iraka io;vao nahare ireo mpitrandraka fa hakatona ny kariera  dia samy niezaka nanararaotra naka izay azony tany anaty lavaka ; izay samy tsy nisy nihevitra akory izay hahafaty azy hoy ny filazan’ ireo namany navotan’ireo polisy sy zandary tao ka nahatonga ny fahafatesana olona roa;ary ireo vato sy vola voaangona dia efa any amin’ny fitsarana avokoa.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici