- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Naolan’ilay tovolahy ny anabavy keliny vao herintaona

Moramanga : Naolan’ilay tovolahy ny anabavy keliny vao herintaona

Ny manodidina teo an-tanàna no nilaza tany amin’ny ny fokontany raha iny nahatsikaritra ny fihetsik’ilay tovolahy 16 taona. Ny vaovao no nahalalana fa naolany ny anabaviny vao herintaona monja. Nisy iray ihany koa efa saika nataony fa saingy afaka nikiakiaka. Izany rahateo no nanaitra ny rehetra teo an-tanàna. Mandeha miasa ireo ray aman-drenin’izy ireo ka tsy mody raha tsy efa hariva ny andro. Toy izany no nohararaotin’ity tovolahy.  Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpiasa teo anivon’ny fokontany nisy azy ary efa eny anivon’ny fitsarana ny raharaha amin’izao fotoana izao. Tamin’ny fanadihadiana natao an’ity tovolahy ity dia niaky ny heloka nataony tamin’ilay anabavy keliny izy. Ny alatsinainy 14 aprily no namory ireo talen-tsekoly sy sefo fokontany ary ny skoto sy ny mpitandro filaminana teto an-tampon-tanan’i Moramanga. Ny talem-paritry ny mponina sy ny asa sosialy no nanentana sy nanamafy ny amin’ny tokony hisian’ny fiaraha-mientana amin’ny fiarovana ny ankizy ary teraka tamin’izany ny fanaganana ny tambajotra  eny anivon’ny fokontany sy ny sekoly hanatevenana ny efa mijoro. Tsy hitsitsy araka izany ny rehetra  raha mahatratra ny fanitsakitsahana ny zon’ny ankizy, na hanao raharaham-pihavanana amin’izay mihevitra ny hanao izany.

CATHY

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser