- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Naolany ny reniny niteraka azy, nodarohany ny rainy

Moramanga : Naolany ny reniny niteraka azy, nodarohany ny rainy

Zazalahy 26 taona no fantatra fa nanolana an-dreniny niteraka azy isaky ny tsy mahazo vola hividianany toaka sy ireo karazan-java-mahadomelina hafa hosotroiny. Efa matetika no manao izany ity tovolahy ity, saingy tsy afa-mamaly ity ramatoa efa 53 taona ity, noho ny fahosany ka manararaotra ilay tovolahy. Nody tampoka tao an-trano tsy nampoizina ny rainy no nahatrarana ny toetra ratsin’ity tovolahy ity. Raha mba niteny sy nananatra azy ity rainy, dia nanangan-tsandry no nataony ka niteraka fifandratrana teo amin’izy roa tonta. Ny fifampitorina teny anivon’ny mpitandro filaminana no nahafantarana ny herisetra mahazo an-dreniny ; izay tsy afaka miteny noho izy manana fahasembanana amin’ny tongotra taorian’ny fiterahana an’ity zanany mahavanon-doza ity. Tsy mbola fantatra ihany koa ny mety ho fahasalaman’ilay rainy efa 62 taona, fa ny masony no voa mafy tamin’ny fifamonoana tampoka nifanaovan’izy mianaka. Zanany faralahy ity nivadik’ondana ity.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser