- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Niavaka ny fankalazana ny 22 febroary

Moramanga : Niavaka ny fankalazana ny 22 febroary

Fanaterana savony sy akanjo fitafy ary vavaka fampaherezana ho an’ireo voafonjan’i Moramanga no asa nataon’ny firaisamben’ny skoto teto Moramanga nandritra ny fankalazana ny andron’ny mpaorona, ny 22 febroary niampy ny fanentanana ny fanasana tanana amin’ny savony izany. Tsy namela ity daty malaza ho an’ny skoto zazavavy ity ireo rehetra ao anatiny fa nanamarika izany tamin’ny alalan’ny lalao niarahan’ny rehetra sy ny fanamarihan’ireo tovovavy rehetra ao anatin’ity FSZM fa miara-manentana amin’ireo tovovavy rehetra izy ireo. teo ihany koa ny nanaovana fanentanana niarahana izay natomboky ny fanjakana foibe tamin’ny hoe « VIAVY ARO ZAHE » sy ny fanamarihana ny andron’ny filatsahana an-tsitra-po niarahana tamin-dRamatoa mpandrindra nasionalin’izany asa filatsahana an-tsitrapo izany. Sady nisolo tena ny ministeran’ny  serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana izy ka nanolotra ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpilatsaka antsitra-po. Nanafatra ity farany fa manan-danja ny asa ataon’ireo mpilatsaka an-tsitra-po ary fitaovana iray mampandroso ny firenena izy ireny. Anisan’izany ny FSP ahitana ny Tily,Mpanazava,Kiady,Antily,ary ny Fanilon’i Madagasikara. Maro ireo tsy voatanisa ao anatiny fa mbola misokatra ho an’ny rehetra ny varavarana ho amin’izany asa an-tsitra-po izany. Fambolena zanakazo ravintsara miisa 10 tao amin’ny tokotanin’ny tranombakoka 1947 no vatofehizoron’ny asa antsitra-po niarahan’ny solontenan’ny ministera mpiahy sy ny skoto ary ny club vintsy.Fanamboaran-dalana kosa no nataon’ireo skoto rehetra tao amin’ny kaominina Anjiro nentin’izy ireo nanamarihana ny firaisankinany sy ny fanaovana asa soa izay tafiditra ao anatin’ny fanabeazana skoto rahateo.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser