- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Notafihan’ny jiolahy efatra nitondra basy ny tobin-dry masera

Moramanga : Notafihan’ny jiolahy efatra nitondra basy ny tobin-dry masera

Jiolahy efadahy nitondra basy sady nisaron-tava no nanafika ny fikambanan-dry masera ao amin’ny  “Petite Servante de Petite Therese de l’Enfant de Jesus” eny Besimpona, ao anatin’ny fokontany Ambarilava, ato anatin’ny kaominina ambonivohitra Moramanga, ny marainan’ny zoma 22 jolay 2016 tokony ho tamin’ny efatra ora. Ramatoa mpahandro no nofatoran’ireo tsy mataho-tody tao an-dakozia sy notereny mafy hamoaka ny lehiben’ity fikambanana ity. Efa mahazatra ireo kilasimandry zazavavy izay mpiomana ho masera ao amin’ity fikambanana ity miisa valo ary ireo mpianatra mipetraka ao, zazavavy miisa sivy, no maka ny sakafo marainany tokony ho tamin’ny 5 ora sy 45 min ka izay tafiditra tao an-dakozia dia nohidian’ireo dahalo tao avokoa ary norahonany ny tsy hiteny avokoa. Tetsy ankilany kosa ity lehiben’ny fikambanana izay tena karohina fatratra no hivoaka toy ny fanaony isa-maraina dia nambanan’izy ireo hovonoina tamin’ny antsy sy ny basy teny an-tanany, saingy tsy mahay afa-tsy ny teny italianina ihany ka ny teny hany hainy dia ny hoe « maty, matory, chambre » ary nahatonga azy hitarika ireto dahalo tany amin’ny efitrano izay nisavany ny fitoeran-damba sy ny kidoro rehetra. Tsy nahita na inona na inona tao anefa izy ireo fa efa nisy afaka nampilaza ny manodidina  ihany ireo zazavavy tsy voahidy tao anaty trano ka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ary nahitàna saron-tava iray latsaka noho ny fandosirana. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana eto Moraanga. Efa matetika no misy mangalatra ny fananan’ireo relijiozy vavy ireo ary mandry an-driran’antsy hatrany indrindra fa ireo zazavavy mbola miomana ho amin’izany lalana izany.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici