Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Safitahana no nitranga ilay heloka bevava ny asabotsy teo. Notapahiny tamin’ny antsibe ny tendan’ny reny niteraka azy. Hoditra kely sisa no nitazona izany ary efa nikirozaroza ny lohan’ilay ramatoa. Zanany fahefatra io nahavita namono azy io. Io farany izay tsy nitsoaka fa nijanona teo an-toerana. Tonga ny zandary nisambotra azy ary ny mpitsabo mpanao fisafoana ny maty nijery ny antony nahafaty ilay olona. Tsy nisy adihevitra ny tatitra, satria hita maso nibaribary fa notapahina tamin’ny zava-maranitra ny tenda. Mbola hita teo rahateo ny fitaovana nanatontosana ilay heloka bevava. Raha ny filazan’ny olona dia manana aretin-tsainy ilay lehilahy nahavanon-doza. Matetika izy rehefa mihetsika aretina dia atahorana hatrany ny zavatra ataony. Tamin’ity indray mitoraka ity izany dia ny reniny mihitsy no novonoiny. Mety ho efa fantatry ny mamany ihany fa miady aman’aina isan’andro izy miara-mipetraka amin’ity zanany ity, saingy ny noho ny fon-dreny dia tsy namela ilay zanany ho irery hatramin’ny farany. Dia niafara tamin’ny fahafatesany izany. Raha jerena amin’izay lafiny izany dia nanao sorona ny ainy ho an-janany ilay ramatoa rehefa fantany fa marary saina ary mety hahavanon-doza, kanefa niaretany teo. Matetika amin’ny toe-javatra toa itony, rehefa any amin’ny raharaham-pitsaràna dia tsy mizotra any amin’ny figadràna loatra ny sazy fa kosa any amin’ny fampidirana hopitaly ho an’ny marary saina. Ny tena mampalahelo dia noho ny tsy fisiana matetika dia miaritra ny olona marary saina ao aminy, na manary izany eny an-dalam-be, matetika, ny fianakaviany. Sarotra ho azy ireo ny mitondra izany eny amin’ny toeram-pitsaboana voatokana ho an’izany noho ny tahotra sao lafobe ny fitsaboana, nefa ny sakafo hohanina aza efa olana. Dia lasa mirenireny eny ny marary saina kanefa mety hahavanon-doza ho an’ny fiaraha-monina.
D.R