- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Notokanana ny tsangambaton'ny 11 febroary

Moramanga : Notokanana ny tsangambaton’ny 11 febroary

Notsofin-drano tamin’ny fomba nentom-paharazana ny tsangambaton’ny 11 febroary no sady fahatsiarovana ireo zandary maty amperin’asa. Ny asabotsy 10 febroary 2018 no nanaovana izany. Tangalamena avy any ambanovohitry ny kaominina Ambohibary ato anatin’ny distrikan’iMoramanga no tonga nanao izany. Kabary telo nifamaliana ary hialohavan’ny zokiny indrindra ary faranan’ny zandriny indrindra no natao teo. Manana haavo 3,20m ity tsangambato ity ary velerana 2 metatra amin’ny 1,90m ny velarany ambany. Ahitàna ny sarin’ny kolonely RATSIMANDRAVA RICHARD eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary ny sary famantarana ny zandarmariam-pirenena sy ny ozinina miaramila sahafitahana. Ny saritanin’ny Madagasikara no en ambony indrindra . Nankasitraka ny sekoly ambonin’ny zandarmariam-pirenena amin’ny fanomena ny hasiny ny foko BEZANOZANO ary ny  fanomezan-danja azy ireo ny vondron’ny tangalamena eto Moramanga. Amin’ireo ray aman-dreny dia raha nahay nandray lesona sy nanovo ny foto-kevitr’ity olomangan’i Madagasikara ity ireo mpitondra nifandimby dia nilamina hatrany ny rafi-piaraha-monina Malagasy satria hainy ny nametraka ny anjara toeran’ny fokonolona.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici