Roa no maty ary telo no maratra tamin’ireo fokonolona nifandona tamin’ny dahalo enin-dahy mirongo fiadiana mahery vaika, nanafika ny kaominina Antaniditra, ny alin’ny 07 septambra 2015 tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany ka hatramin’ny fito ora sy sasany teo ho eo. Trano efatra no may nodoran’ireo tsy mataho-tody isaky ny avy robainy ary izay zava-tsarobidy hatrany no nalainy. Nafàna ny fifandonan’ireo olon-dratsy sy ny fokonolona ka naharatran’ireo fokonolona iray ireo mpanafika ary nahafahan’ireo zandary tonga any an-toerana nanao ny fanarahan-dia azy ireo noho ny rà izay hita niraraka nanaraka ny lalana nandosirany. 60 kilaometatra eo ho eo ity kaominina lasibatry ny asan-dahalo ity raha miala eto Moramanga renivohitry ny distrika misy azy. Tsy niandry ela ny teo anivon’ny vondrontobim-paritry ny zandary eto Moramanga, fa nandray ny andraikiny avy hatrany raha vantany vao nahazo antso tamin’ny fiaraha-miasany amin’ireo fokonolona. Mitaintaina lava ny mponina eny an-toerana noho ny tsy fandriampahalemana misy any ; izay efa saika matetika no misy izao trangan’ny asa ratsy izao eo amin’ny kaominina manodidina toy ny any Mandialaza sy Beparasy, noho ny fisian’ireo vokatra sy harena maro misy ao an-toerana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ireo zandary miasa eny hoy ny solombavambahoaka ny Dokotera Rajaobelina Lova Herizo, no sady manao antso avo hatrany ny tenany amin’ny fitondrana foibe ny hametrahana « poste avancé » sy ny hampitomboana ny isan’ireo zandary efa miasa any an-toerana hahafahana mampiaina am-pahatoniana an’ireo vahoaka. Matetika no iharan’ny asan-dahalo iny toerana iny ; izay olona tsy monina eny an-toerana avokoa ny ankamaroany.
CATHY