Fatin-dehilahy mifatotra aoriana ny tanany roa no sady mbola nahitana ratra ny vatany sy tsatokantsy teo amin’ny fihirifany no hita tao amin’ny reniranon’ny Andobobe ao ao amin’ny fokontany Befotsy ao anatin’ny kaominina Ambohibary ny talata 28 jona 2016 tokony ho tamin’ny enina ora maraina raha iny handeha hanasa lamba iny ny vehivavy. Tombanana efa maty roa andro tety an-tanety vao nalefa tao anaty rano hoy ny dokotera. Nandray ny fikarakarana rehetra ny ben’ny tanàna ao an-toerana Andriamatoa Andriamahadera Noelson noho ity razana ity tsy misy mahafantatra eo amin’ny manodidina. Tranga fahatelo tao anatin’ity kaominina ity tato anatin’ny volana jona izao hita izao. Ny voalaohany, vehivavy tokony ho 52 taona no hita faty ary nahitàna tsindron’antsy teo amin’ny fihirifany teo amoron-dalana no sady niharan’ny fanolanana. Avy any amin’ny faritra hafa ity olona ity. Mbola hita teny aminy ny karampanondrom-pirenenany. Ny faharoa, zazavavy kely hita faty tao anaty ranon’ny Mangoro. Voalaza fa niharan’ny fanolanana koa izy io. Hentitra ny ben’ny tanàna raha nilaza tamin’ireo andrimasom-pokonolona hanara-maso ny vahiny sy ny manodidina satria lasa aton’olon-dratsy fanariana ny asa ratsiny ny manodidina. Miantso ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana hatrany ny ben’ny tanàna, satria izany no ahafahana mahita fahombiazana. Mametraka ny paik’ady rehetra ireo andrimasom-pokonolona isan-tanàna ho fanaraha-maso ny manodidina.
CATHY