- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Olona tratra nanao tavy tao anaty ala arovana

Moramanga : Olona tratra nanao tavy tao anaty ala arovana

Tratran’ny zandary teo am-panivanana volamena, rangahy anankiroa tao amin’ny fokontany Araboana  kaominina Morarano gara; izay tao anaty ala velona anisan’ny faritra .Tsy nijanona akory ireto farany fa nihevitra ny mbola hanavo-tena ka nandositra. Teo am-panenjehana azy ireo ny zandary no nahatratra tokantrano telo miorina ao anatin’ity ala ity ihany koa ary mbola manao tavy ireto fianakaviana ireto izay antom-pivelomany mihintsy. Samy tratra daholo ireto olona fito ireto izay nentina natolotra ny fampanoavana ary efa manefa ny saziny any am-ponja. Mbola betsaka ireo olona monina any ambany ravinkazo no tsy mahazo ny fanabeazana mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana; izay saika noho ny tsy fahampian’ny fampianarana sy ny fanentanana no mahatonga ny olona tsy mahalala ny ankamaroany, ka rehefa avy mivoaka ny fonja manefa sazy vao mahafantra ny fahadisoana nataony. Na ny zandary na ny fitsarana eto Moramanga, dia efa samy miara-miasa miaro ny tontolo iainana .

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser