Kodiarana roa faran’izay lehibe no fantatra fa nisy nangalatra tao amin’ny orinasa Ambatovy Moramanga, tamin’ny volana septambra lasa teo. Hatramin’izao dia olona telo sy mpitandro filaminana iray no voarohirohy amin’ity halatra ity. Tratran’ny zandary avy any Toamasina teny Tanandava ireo kodirana ireo. Fantatra izao vaovao izao tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny lefitry ny “compagnie territorial” any Toamasina. Voalaza moa fa nohamarinin’ny orinasa Ambatovy fa azy tokoa ireo kodiarana makadiry ireo ary hampiasaina amin’ny fiara lehibe. Rehefa nohadiahadiana ireo olona voalaza fa naka ireo kodiarana ireo dia nanondro, hoy hatrany ny vaovao, fa misy mpitandro filaminana miaraka amin’izy ireo. Nandeha hatrany ny famotorana ka hita tokoa fa nisy andiana mpitandro filaminana nilaza ho niambina ireo kodiarana roa ireo hamandrihana ny mpangalatra. Tsy nampandre ny tompon’andraikitra akory anefa izy ireo fa nionona tamin’ny filazana fa efa eo am-pelatanany ny raharaha. Rehefa nampinatsoin’ny tompon’andrikitra anefa izy ireo dia tsy namaly ny taratasy, hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Re tamin’ny resaka natao ho an’ny mpanao gazety fa mitentina hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara amerikana no nividianan’ny orinasa ireo kodiarana ireo. Nokasaina hamidy 40 tapitrisa aty an-drenivohitra ny iray. Amin’izoa fotoana izao moa dia efa nalefa any am-ponja ny roa tamin’ireo olona tratra nangalatra. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay fahatelo. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ireo namany hafa voalaza fa tafiditra amin’ity halatra ity.
nangonin’i r.s.