- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Raim-pianakaviana maty voatsindrona antsy

Moramanga : Raim-pianakaviana maty voatsindrona antsy

Raim-pianakaviana iray no maty noho ny tsindrona antsy nahazo azy teo amin’ny fony sy ireo ratra maro samy hafa teny amin’ny vatany, ary ny fahaverezan-drà be loatra teo aminy, ny alin’ny atalata 16 febroary 2016, tao amin’ny fokontany Ambodiakondro, eto Moramanga. Efa any am-ponja ny nahavanon-doza ny alakamisy 18 febroary 2016 rehefa niaiky, nandritra ny fanadihadiana natao azy, fa namono ity olona ity, izay mpampiasa azy ihany sady mpifanolo-bodirindrina aminy. Adin’ny mpivady no niandohan’ny raharaha. Iny avy niasa iny ity rangahy ity no nahalala fa very ny atody ka niteraka fifamalian’ny mpivady. Tsy nanohy izany anefa ity rangahy ity, hoy ny zanany vavikely, fa sendra nivoaka teo ivelan’ny tranony izy mianaka dia natosik’ireo tanora mpiara-miasa aminy ireo avy hatrany izy. Tampoka taminy izany, ary nianjera tany anaty taretra misy tsilo izy, noho ny toerana somary lavaka izay eo anilan’ny tranony ihany. Ireo mpanosika kosa dia efa nivonona tamin’ny antsy lavalela sy fanoto,  izay sady nanampy tosika ny fianjeràny no nanindromana ny fony. Hitan’ilay zanany vavy avokoa ny zava-nitranga .Tongan’ny ankohonany teny amin’ny hopitalin’i Moramanga ihany izy, saingy tsy tratra ny ainy noho ny tsindrona antsy lasa lalina loatra. Zazalahy 20 taona sy 13 taona no nahavanona izao loza izao. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny polisim-pirenena amin’izay tena anton’izao vono olona izao.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici