Narary nandritra ny valo volana ny ramatoa iray tany amin’ny faritr’i Moramanga.
Noheverin’ny havany fa nidiran’ny rivotra no niandohany ka dia nosorana diloilo
mifanaraka amin’izany izy. Telo andro taty aoriana mbola tsy nisy fiovana ka dia nanatona dokotera mpitsabo izy ary nanaraka antsakany sy andavany izay voalazan’ity dokotera mpitsabo ity, ka naharitra am-bolana ny fanarahana izany. Feno valo volana ny fitsaboana ity marary ity ka dia nanapa-kevitra ny hamonjy toeram-pivavahana ny fianakaviany, ka voatery nifady hanina nadritra ny telo andro ilay marary, ary taorian’izay no sahala amin’ny narary kibo ilay ramatoa ary
nivoaka moramora avy any anatiny ilay biby. Samy tsy nisy nahalala ny niforenan’ity biby kely mirefy 10 santimetatra ity na ny mpitsabo, na ny fianakaviany, eny fa na dia izy tenany aza.
Cathy