- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Ramatoa voagejan’ny fanafody ratsy, hita natory teo akaikina kisoa

Moramanga : Ramatoa voagejan’ny fanafody ratsy, hita natory teo akaikina kisoa

Ramatoa tokony ho 58 taona no tratran’ny tovolahy mpiambina  tanànan’olona niaraka tamin’ny kifafa  tamin’ny 01ora sy sasany maraina ny 26 aogositra 2014. Somary rendremana ity tovolahy ity no sady tsy nahetsika na dia miantso aza tsy afaka . Izany no nanararaotan’ilay ramatoa nisafoana ny tongony ary nibatany azy hiala teo amin’ny toerany. Taitra noho izany anefa ity tovolahy ity rehefa nahatsapa hatsiaka ka naheno an’ireo kisoa nandrasany ho nikiakiaka ary dia hitany eo ilay vehivavy. Efa matetika ity mpiambina ity no mahatsikaritra zavatra hafahafa rehefa alina ny andro, indrindra manodidina ny amin’io ora voalaza io. Rehefa natao ny fanadihadiana an’ity ramatoa ity dia nihaiky izy fa misy fotoana no tsy mahatsiaro tena izy raha tsy efa maraina ny andro.

Nitantara ny nahazoany an’io ody ratsy io ilay vehivavy. Sendra narary ny lohaliny ka noheverina ho nataon’olona dia namonjy an’ireny mpitsabo gasy ireny izy efa ho fito taona izao. Taorian’izany no nanjary lasa zavatra hafa no nampanaovin’ilay olona neritreretina hitsabo. Tsy nisy nahafantatra an’io ny zanany, fa rehefa maraina ny andro dia toy ny tsy salama mandrakariva izy. Amin’ny alina kosa dia toa miha mahazo hery. Nampahafantatra ihany koa ity ramatoa ity fa samy manana ny faritry ny fasana andihizana ry zareo isaky ny mandeha.Te ho afaka mafy amin’ny fatorana mahazo azy ity voagejan’ny fanafody ratsy ity fa tsaroany ho efa manalabaraka azy izany.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser