Dahalo mirongo fiadiana no nanafika tanàna iray amin’iny lalana RN 44 iny , nirefodrefotra ny basy tahak’ireny misy olona karohina ireny mihitsy ireo jiolahy misava trano izay tsy fantatra mazava ny tena isany, satria efa ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any , niezaka ny nifanampy ny vahoaka .Vokany dia 7 no naratra mafy tamin’izy ireo ary ny telo tamin’ireo no tena voamafy tokoa ka tsy maintsy nentina teny amin’ny hopitaly Moramanga,.Teo amin’ny tanàna kely atao hoe Amboasarikely eo anelanelan’Amboasary sy Andaingo no tena nisehoan’ny fanafihana ny alin’ny alakamisy 27 martsa 2014 . Mpivarotra iray no tena nitondra faisana. Lasan’ireo mpandroba ny vola 3,5 tapitrisa ariary. Voatery nijanona iray kilometatra tsy hiditra io tanàna io ireo fiarakodia hihazo an’Ambatondrazaka sy Moramanga io alina io. Nihorohoro avokoa ny mpandeha rehetra ,satria tampoka no nahenoana ny firefodrefotry ny basy .Na dia nalaky tonga aza ny zandary tao amin’ny kaompania Moramanga dia tsy nahatratra ireo jiolahy intsony. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary ka nanao savahao ny manodidina rehetra. Narahamaso ireo mpandeha tamin’ny takisiborosy sao mbola misy manafika. Mitohy ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ka inoana fa hisy vokany. Mihorohoro indray ny mpandeha amin’iny lalana RN 44 iny amin’izao fotoana izao satria miseho indray ny asa ratsy ataon’ireo jiolahy. Maro rahateo ireo mividy entana any amin’ny renivohitra no tia mandeha alina ka tokony samy hitandrina sy ho mailo ny rehetra
Janus R