Niainga tamina ramatoa iray nanamboatra finday nisy kaody tsy nety nisokatra ny fanadihadiana rehetra. Tsy azy mantsy io finday avo lenta io, fa novidiny mora tamin’olon-kafa; izay tsy iza fa mpamaky trano rain-dahiny eo an-tampon-tananan’i Moramanga.
Saron’ ny zandary teo am-panamboarana finday ilay ramatoa. Karazana finday tokony ho amin’ ny vidiny lafo ity finday no nisy nivarotra taminy mora, noho ny antony maro samihafa. Tsy nandeha araka ny tokony ho izy anefa, fa mangataka kaody. Teo am-panamboarana izany ilay ramatoa no noraisim- potsiny. Ny alin’ ny 25 aogositra 2019 hifoha 26 aogositra 2019 no nahavaky ny tokantrano iray tao amin’ ny fokontany Moramanga ambony; izay nahaverezana solosaina sy finday ary ireo kojakoja mahakasika ny aterineto. Tsy niandry ela ny mpifehy ny tobim- paritry ny zandary GPHC Andriambololonirina Claude, fa nandray ny andraikiny avy hatrany. Nanao ny vela- pandrika raha vao naharay ny fitarainana, dia izao nahatrarana azy roa lahy izao. Raha ny fantatra dia efa matetika no migadra noho ny vaky trano izy ireo, ary volana vitsy monja aorian’ ny fivoahany ny fonja dia miverina manohy ny asa ratsiny indray. Niaiky ny asa ratsy vitany izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao azy.
Cathy