Teo am-pivarotana ireo ridaom-piangonana, baiboly, fanamafisam-peo, ary ireo kojakoja maro samihafa avy nangalarina izy mirahavavy no tra-tehaky ny zandary raha efa nokarohina taorian’ny fahavakisan’ny fiangonana EKAR sy FJKM tao Antsirinanla, ny 22 febroary 2015 lasa teo. Rehefa nihevitra ireto vehivavy ireto fa efa naharitra ny fotoana namakiana ireo fiangonana ireo dia nanao ny fivarotana tsy nisy ahiahy ireo karazana entam-piangonana teny aminy izy mirahavavy. Niafara tamin’ny fanaterana azy any am-ponja, ny 13 marsta, ny hevi-petsiny. Efa any am-ponja avokoa ny vadin’izy mirahavavy tratra namaky ny tranovatom-piangonana METM, andro vitsy lasa izay. Efa fanaon’izy ireo ny asa ratsy toy izao. Fantatra izany nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo, ary niaiky ny asa ratsy nataony izy. Noheveriny mantsy fa antom-pivelomana nandritra ny fotoana naharitra ny fangalarana, fa tsy noheveriny fa tsy maintsy hanefàna sazy any am-ponja.
CATHY