Toaka gasy 1160 litatra no tra-tehakin’ny polisim-pirenena tato Moramanga ny alahady 23 oktobra 2016 teo amin’ny lalam-pirenena faharoa tokony ho tamin’ny valo ora maraina;avy any Fanandrahana Toamasina II no niaingan’ireto toaka gasy ireto ary nokasaina hamidy ao Antananarivo; fiara vaventy lava no nitondra vary 35 taonina ary tao ambanin’ireo vary ireo no nanafenana ireo zerikanina 58. Nilaza ho tsy mahalala ny tompon’ny entana sy ny hivarotana ny mpamily sy ny mpanampy azy fa rehefa tonga ao Antananarivo vao hiantso azy ireo ny mpandray. Nodorana teo imason’ny solotenam-panjakàna ireo toaka ireo ary natolotra ny fampanoavana eny amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany Moramanga ny talata 25 oktobra 2016 ny mpamily sy ny mpanampy azy. Manao antso avo ny commissaire divisionnaire Rakotoarivony Mickael Herman ho an’ireo mpamily rehetra ny hanarahan-dalàna manoloana ny zavatra efa voararan’ny lalàna sy ny hanajan’ny tsirairay ny asany.
CATHY