- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Toaka gasy 2 000 l nodorana

Moramanga : Toaka gasy 2 000 l nodorana

Toaka gasy 2000 litatra no saron’ny polisim-pirenena teto an-tampon-tanànan’i Moramanga, ny marainan’ny 23 may teo tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany maraina, raha iny avy any amin’ny tanàna 30 kilaometatra miala an’i Toamasina no nakana azy ka hoentina hamidy ao Antananarivo. Renim-pianakaviana no tratra niaraka tamin’ny entana, raha ny rangahy vadiny no mpanangona any an-toerana.Niaiky ity ramatoa tompon’ny toaka gasy, fa tsy hahaloa ny onitra mifandraika amin’ny sazin’ny fandikan-dalàna malagasy ho iray alina ariary isaky ny  litatra.Teo anatrehan’ireo manampahefana ato anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga rehetra, no nandorana ireo toaka gasy ireo, ny 26 may 2015. Fanamby napetraky ny kaomisera lehiben’ny polisim-pirenena eto Moramanga, ny hanafoana ny tambazotran’ny mpanao asa ratsy rehetra eto an-toerana ka mahatonga azy ireo manao ny fisavana na alina na antondro ary ny tsy hampandry fahalemana an’ireo olon-dratsy,izay no tanjona tsy maintsy tratrarina indrindra ny hananan’ireo vahoaka fiainana milamina.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser