Jiolahy 8 nitondra basy sy zava -maranitra no nanafika ny tokatranon’ny mpandraharaha iray tao amin’ ny fokontany tsarafasina tokony ho tamin’ ny misasakalina, nandritra ny antsasakadiny teo no niodikodinany nanao izay hidirany fa tsy tafiditra izy ireo, tao anatin’ ity fotoana ity no nifanena tamin’ ny mpiara monina, izay nisian ‘ny fifandonana ka naharatrana lehilahy iray. Nanohy ny diany tao amin ‘ny fokontany ambohitranjavidy ora iray no faharetan ‘ ny fanafihana tao, mpivarotra roa no nazahoan’izy ireo vola manodidina ny roa tapitrisa ariary niampy ireo firavaka isan- karany ary nahavoatifitra tovolahy iray teo amin’ny tongony. Efa manao ny asany ireo mpitandro filaminana eto an- toerana.
Cathy



