Nanatanteraka tolo-tànana hoan’ireo mpiray tanindrazana niharam-boina, ny tato anatin’ny distrikan’i Moramanga ; izay notarihin’ny lehibeny ka nahazoana : vola 2.706.152 ariary niampy ireo lamba fitafy valo gony,katsaka 250 kilao,savony 10 baoritra,kahie 32 fonosana,vary 50 kilao,tsaramaso 30 kapoaka,siny 10 ary kiraro sy paoketra. Nandritra ny hateloana no nanatanterahana ny fanentanana na teo amin’ny fikambanana maro samy hafa na ireo fiangonana na ny avy ao amin’ny foloalindahy.Ny alatsinainy 09 febroary ihany, dia efa naterina teny amin’ny BNGRC foibe ireo rehetra ireo, niaraka tamin’ny delegasiona notarihan’ny lehiben’ny distrikan’i Moramanga;ny fikambanan’ny mpanao gazety « Kalon’ny Ala » eto Moramanga sy ny skoto katolika ihany koa dia samy nanatanteraka fanentanana niraisana hoan’ny olona rehetra, mba hiara-hiombompo amin’ireo kere any Atsimo sy ireo niharam-boina noho ny rivodoza.
CATHY