- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Tompon’omby maty notifirin’ny dahalo

Moramanga : Tompon’omby maty notifirin’ny dahalo

Omby 18 no lasan’ny dahalo 07, ny alin’ny 16 novambra tamin’ny 08 ora tao Ambodivondrotra fokontanin’Ambohitromby ao anatin’ny kaomin’Amboasary; izay efa manakaiky ny kaomina Fierenana.Vao niditra ny tanàna ireo mpanafika dia efa nametra ireo mponina ny tsy hivoaka ny trano. Tsy dia maheno tsara anefa ny sofin’ilay tompon’omby dia nivoaka ihany izy, izay no nahatonga azy ho faty voatifitry ny dahalo teo amin’ny sandriny ary tafavoaka teo amin’ny tratrany. Nezahan’ireo fokonolona nentina teny amin’ny hopitalin’Amboasary izy rehefa lasa ireo dahalo, fa tsy tratra ny ainy ny 17 novambra tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Vokatry ny tsy fisian’ny tambazotra any amin’ity toerana ity no nahatara ny fiantsoana an’ireo mpitandro filaminana. Mandry andriran’antsy ireo tantsaha any an-toerana manoloana an’izao tsy fandriampahalemana misesy eny amin’ny manodidina ny kaominina Amboasary izao. Efa mifanome tànana amin’ireo zandary ato anatin’ny vondrontobim-paritr’i Moramanga avokoa ny mponina amin’ny fitadiavana an’ireo omby mbola tsy hita, fa taorian’ny fahitana an’ireo omby very tao Andaingo dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny mponina sy ny zandary, ka ny fanadihadiana rahateo mbola mitohy hatrany.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser