- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Tovolahy niady tamin’ny rafilahiny teny an-dalambe, maty voahitsaky ny fiara

Moramanga : Tovolahy niady tamin’ny rafilahiny teny an-dalambe, maty voahitsaky ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray tao Moramanga tampon-tanàna, omaly naraina, ka tovolahy iray no maty tsy tra-drano nihosin-drà voahitsaky ny fiara, teo amin’ny hazo midoroboka manoloana ny Lapan’ny Tanàna, sampanana mankany Ambatondrazaka. Raha araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia nifamaly sy niady tamina lehilahy iray rafilahiny ity tovolahy namoy ny ainy ity ; izay voalaza fa mamo vao maraim-be. Nandritra ny sakoroka, dia natosik’ ilay nifamaly taminy teo am-povoan’arabe izy, ka voahitsaky ny fiara, ary maty teo no ho eo, hoy ireo nanatri-maso ny loza. Handeha hamonjy sy hijery matso fankalazana ny fetim-pirenena no nialan’ity tovolahy ity ny trano. Teny an-dàlana anefa izy, dia nifanena tamin’ity voalaza fa rafilahiny ity, ka rafitra ny fifamaliana niafara tamin’ny ady sy fifanositosehana teny an-dalambe, teo amin’ny roa tonta.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici