Sahy manorina trano ambony fasana ny olona sasany, raha tanim-pokonolona mazava tsara natao hoan’ny fasam-bahoaka ny ao amin’ny fokontany Tsarafasina eto an-tampon-tananan’i Moramanga. Ny sasany aza moa mamboly mangahazo eo ambony fasana izay efa mihevitra ny hangataka izany eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany. Samy zendana avokoa ireo fianakaviana handeha hamangy fasana izay efa fanao ny volana novambra, raha samy tsy misy mipetraka eto Moramanga intsony nefa mahatadidy ny toerana nametrahana ireo nahitana masoandro; izay kasaina hentina maina amin’ny taona manaraka, kanjo efa trano mijoalajoala no teo. Ny sasany amin’ireo trano miorina ambony fasana aza moa dia tsy mahatamana mpanofa, fa misy angatra manakorontana isan’alina. Misy mandefa rano any anaty efitrano fidiovana sy mandehandeha any amin’ny tohatra amin’ny alina efa tsy ahitana torimaso. Manahirana ireto manan-kavana milevina ao ambany tranon’olona ny handrava trano efa mijoro fa dia ny fanaovana tsangambato no vahaolana. Saingy napetrak’izy ireo amin’ny fahendren’ireo mpanorina trano ambonin’ireo fasana mbola misy razana ny fanapahankevitra, satria efa nahazo fahazoan-dàlana hanorina trano izy ireo. Mbola olana hatrany ny fananan-tany raha ny eto Moramanga.
Cathy