Hazo fisaka sy hazo voasisy miisa 1100, azo arafitra ho farafara
niaraka tamin’ny vary 400 kg no natolotr’ Andriamatoa Rakoto grena
an’ireo voafonja ny alakamisy 28 mars 2019, nandritra ny fihaonan’ ny
tompon’ andraikitra eo anivon’ ny haomônôria katolika miasa eo anivon’
ny fonja tamin’ ity mpandraharaha ity. Betsaka ireo vina hahatonga ho
fonja mamokatra ny eto Moramanga saingy tsy dia marisika loatra ny
mpandraharaha manampy azy ireo indrindra ny mpanao politika. Rehefa
nahita maso ny zava- misy ao anatiny Rakoto grena dia nanolotra ny
fahavononany hanampy azy ireo. Ny tena olana, hoy ny tompon’
andraikitra voalohany, na ny lehiben’ ny fonja eto Moramanga dia rehefa
mangatsiaka ny andro izay miteraka aretina maro. Tao anatin’ ny
herinandro izao no efa nanomboka nanamboatra tanimboly hovolena
legioma izy ireo, ary eo am- pitadiavana ny mpiara-miombona antoka ny
amin’ ny hahavitàna rafitra, satria betsaka amin’ izy ireo no
mpandrafitra . Feno ny fandaharam-potoana mandritra tontolo andro ary
afaka mamelon-tena ara- tsakafo, sady efa afaka miatrika ny fiainana
aorianan’ ny fahavitan’ ny sazy ireo voafonja. Izay no tanjona iraisan’ ny
mpandraharahan’ ny fonja sy ny ACP eto Moramanga.
Cathy