Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny isan’ireo trano sy olona nentin’ny rano tao an-tampon-tananan’i Moramanga tao, noho ny fahavakisan’ny barazin’ny Jirama tao Ambodiakondro, nateraky ny andro ratsy. Mbola eo am-panangonana ny vaovao rehetra ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ny tompon’andraiki-panjakana isanisany any an-toerana, raha ny azonay omaly.
Namela takaitra mafy tao an-tampon-tananan’i Moramanga ny fandalovan’ilay andro ratsy, nitondra ora-mikija nandritra ny tontolo andron’ny sabotsy sy ny alina iray manontolo teo. Dibo-drano ny tanàna. Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany maraina mantsy no vaky ny barazin’ny Jirama, mitahiry ny rano fisotro ho an’ny mponina tao an-toerana. Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe efa nisy nitriaka kely io tohodrano io, izay efa hita hatramin’izay, saingy mbola voatampina foana hatramin’izay. Moa etsy andanin’izay, tsy mbola niakatra be tahaka izao ny haavon’ny rano tao Moramanga, ary mazàna aza dia tsy mety feno ilay tohodrano. Tamin’ity indray mitoraka ity, tao anatin’izao andro ratsy izao dia nitondra loza mahatsiravina izany, satria dia nahita lalana tao ambany indray ny rano ary nitohy tamin’izao fahavakisan’ny barazy nitazona azy ireo izao.
Lavaka mangotanana avokoa no navelan’ny rano manodidina izany tohodrano izany. Misy tamin’ireo trano manomorona ity tohodrano ity no lasan’ny rano, niaraka tamin’ireo olona tao anatiny. Tapaka tanteraka vokatr’izay ihany koa ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala, ao Ankazobe. Lasan’ny rano vokatr’izay fahavakisan’ny barazy izany ihany koa ny tetezana hiditra ny tanàna amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, raha avy aty an-drenivohitra, torak’izay ihany koa, ny miditra avy any Toamasina, eo Beforona. Mitoka-monina tanteraka i Moramanga, an’arivony mahery ny tra-boina. Efa mandeha ny fikarohana ireo olona voalaza fa lasan’ny rano any an-toerana sy ny fanadihadiana mahakasika ireo trano nosarihin’ny rano. Raha ny angom-baovao azonay, hatramin’ny nanoratana mantsy dia tsy mbola nisy aloha hatreto ny olona hita na natsingevan’ny rano tany an-toerana. Na izany aza, miara-mifarimbona amin’izany ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, miaraka amin’ireo sampan-draharaham-panjakana maro any an-toerana ary ny fokonolona.
m.L