- Publicité -
lundi, février 2, 2026
AccueilFaits-DiversMoramanga : Vaky ny fonja, gadra 14 tafatsoaka

Moramanga : Vaky ny fonja, gadra 14 tafatsoaka

Nanararaotra ny ora-mikija nentin’ilay rivo-doza ve ? Fantatra fa vaky omaly ny fonja ao Moramanga, araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Ny maraina teo, tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany  maraina tany ho any no tafaporitsaka ireo gadra niisa 14 tao an-toerana. Saika iray efitrano avokoa ireto voafonja tafatsoaka ireto, izay tao amin’ny « chambre B » raha ny vaovao. « Efa ao  anatin’ny fanenjehana sy ny fikarohana tanteraka azy ireo izahay  (…) Tsy mbola misy vaovao afaka omena ankoatr’izay fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay » hoy ny Lehiben’ny fonja tao Moramanga raha azo an-tariby omaly. Marihana fa nisy avy hatrany ihany koa ny fidinanan’ireo tompon’andraikitra taorian’izay tany an-toerana, raha ny angom-baovao azo hatrany.  Hatreto, hatramin’ny ora nanoratanay omaly  dia mbola nisy voasambotra ireo gadra tafatsoaka ireo. Efa miara-miasa amin’ny fikarohana izany kosa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter