Zaza manodidina ny 13 taona no tafidtra an-tsehatra amin’ny fivarotana solika amin’ireo kaominina manodidina ny toeram-pitrandrahana Ambatovy raha 20 taona no zokiny indrindra. Barika feno solika milanja 30 ka hatramin’ny 45 kilao no lanjain’ireo zaza mitety ny lalana mirefy 20km na mihoatra. Efa misy ireo olona manjifa ny varotra ataon’ireo zaza ireo. Mandalo ao anatin’ny ala arovana izy ireo mandritra ny fitondrana ny solika ary ahiana araka izany ny fiantraikany eo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ireo ankizy sy tanora ary ny mety ho voka-dratsiny rehetra. Efa betsaka ireo voasambotry ny mpitandro filaminana sy ireo fiara . Manaitra ny sain’ny ray aman-dreny eo an-toerana hatrany ny eo anivon’ny vovonan’ny firaisamonim-pirenena ato anatin’ny distrkan’i Moramanga manoloana ny asa tsy mendrika ataon’ireo ankizy sy tanora. Miantso ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy ihany koa hijery akaiky azy ireny.
Cathy