Tsapa tokoa fa tsy ny eto an-drenivohitra ihany no mitaintaina amin’ity resaka halatr’olona sy vehivavy very ity, izay efa ho saika isan’andro mihitsy fa na hatrany amin’ny faritra aza. Ny marain’ny talata lasa teo ity vehivavy ity no tsy niverina intsony namonjy ny tokantranony, raha nilaza fa handeha hamonjy ny lahasany any an-tsaha. Ny ampitson’io, nisy nahita izy. Saingy efa vatana mangatsiaka, nitsirara tao anaty rà mandriaka, manamorona ny kirihitr’ala iray tao amin’ny fokontany Ampitambe, distrika Moramanga. Voalazan’ireo nanatri-maso fa nisy faritra goaka teo amin’ny kibony. Niely vetivety teo moa ny feo ary tonga hatramin’ny hoe nangalaràna taova ity vehivavy ity. Nampandrenesina tamin’io andro ihany moa ireo zandary tany an-toerana, izay tonga haingana niaraka tamin’ny mpitsabo, nanao ny fitsirihana ny razana. « Nahitàna izay goaka izay tokoa teo amin’ny faritry ny kibony, saingy taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo dia tsy nisy akory taova na dia iray aza banga tao aminy » hoy ny fanazavana nentin’ny kaomandin’ny vondrontobim-paritry ny zandary ao Moramanga. Raha ny fanazavan’ity manamboninahitra ity dia tsy azo ihodivirana ny resaka vono olona, saingy hatreto aloha, tsy mbola fantatra ny anton’izay. « Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika iny tranga iny ary efa eo am-pikarohana ihany koa izay nahavanon-doza izahay ». Ny razana kosa dia efa nomena ny fianakaviana taorian’ny fitsirihana natao taminy.
m.L