- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Voasambotra ireo mpamaky trano gaigilahy

Moramanga : Voasambotra ireo mpamaky trano gaigilahy

Natolotry ny zandary  ny fitsarana ny alakamisy 19 janoary 2017 ireo mpamaky trano nampiaiky ny mponina tao anatin’ny fokontany Tsarahonenana sy Tsaralalàna ary Ambohitranjavidy. Ny alahady 15 janoary 2017 tokony ho tamin’ny 8 ka hatramin’ny 10 ora, izay fotoana tsy naha tao an-tokantrano ny tompon-trano, no nanaovan’ireto mpangalatra ny fanararaotrana. Nahatsikaritra izany ny mpiray vodirindrina sy ny ankizy nilalao. Nametraka fitoriana avy hatrany ireo niharan-doza rehefa tonga satria nahatsikaritra ny fikorontanana nisy tao an-trano sy ny fahaverezan’ireo entana mitentina 3.000.000 ariary. Nifanena tamin’ireto mpamaky trano ilay zaza nahita azy teny an-dalana hianatra ka norahonany no sady nenjehiny, saingy tsy tratrany. Izany rehetra izany no nahazoana azy ireo rehetra .  Mbola nahatraran’ny zandary entan’olona maro samy hafa izay halatra avokoa tao an-tranon’izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo ihany koa no nahafantarana ny iray tamin’izy telo lahy, ilay efa nokarohina nandritra ny halatra basy teto Moramanga tamin’ny volana aogositra 2016 ary efa nikoizana hatramin’ny ela. Tsy handefitra amin’ny asa ratsy misy eto Moramanga ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary eto Moramanga ary efa nampitandrina sy nampianatra isaky ny manao fitsidihana.

                                                                                                                                                                                     CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici